1 Fihirana fiakarana*. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah , [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga]

2 Tompo , henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako.

3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah , Iza no hahajanona, Tompo ?

4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao.

5 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako.

6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina.

7 Mananten an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be;

8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.
